βœΏπ…πšπ§π¨π¦π©π¨πšπ¦-𝐩𝐒𝐯𝐚𝐯𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐧𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐫𝐒𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐀𝐚π₯𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐑𝐒𝐯𝐚𝐯𝐲✿

πŸ—“οΈ04 martsa 2026
πŸ“Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina
« 𝑁𝑦 π‘£π‘’β„Žπ‘–π‘£π‘Žπ‘£π‘¦, π»π‘’π‘Ÿπ‘¦ π‘–π‘Ÿπ‘Žπ‘¦ β„Žπ‘œ π‘Žπ‘›’𝑛𝑦 πΉπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘£π‘Žπ‘œπ‘§π‘Žπ‘›π‘Ž 𝑛𝑦 π‘“π‘–π‘Ÿπ‘’π‘›π‘’π‘›π‘ŽΒ Β» io no lohahevitra nasionaly entina mankalaza ny Andron’ny 8 martsa izay natomboka tamin’ity herinandro ity ary mbola hitohy hatramin’ny Alahady 8 martsa ivon’ny fankalazana.
🟒Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana nitondrana am-bavaka ny vehivavy rehetra maneran-tany sy ny vehivavy rehetra eto Madagasikara mba hananan’izy ireo hery entina manatanteraka ny adidy aman’ andraikitra amin’ny sehatra misy azy ireo avy.
Nanome voninahitra ny fotoana ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana,Ramatoa 𝐄π₯𝐒𝐬𝐚 π‘π€ππƒπ‘πˆπ€ππˆπ‘πˆππ€ sy ny vadin’ireo mpanolontsaina avon’ny Fanavaozana.
πŸ”΄Nanatrika izao fanompoam-pivavahana izao ihany koa ireo solontenan’ny vehivavy avy amin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
Β«Β π™ΌπšŠπš‘πšŠπš’ πš—πš’ πš£πšŠπšŸπšŠπšπš›πšŠ πš›πšŽπš‘πšŽπšπš›πšŠ πšŠπš‘πš˜ 𝚊𝚘 πšŠπš–πš’πš—’πš’πš•πšŠπš’ πš–πšŠπš–πš™πšŠπš‘πšŽπš›πš’ πšŠπš‘πš’Β Β» Filp 4:13