MEPCR
Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
MEPCR
Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐞𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐣𝐢𝐫𝐨
Naseho teny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo ny fanovana nentina teo amin’ny lafiny angovo.
Iray volana katroka no nahatongavan’ny fitaovana famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro izay natolotry ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika. Fitaovana natao hanalana fahasahiranan’ny mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha izy ireo, mba hiatrehana ny fahatapahan-jiro ka hahafahana manohy ny asa sy mampihodina ny Oniversite.
Samy nahazo ny anjarany amin’izao tetikasa izao avokoa ny Oniversite manerana ny Nosy fa ho an’ny teny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo manokana dia ireto no hita ao:
– « panneaux solaires » miisa 370 manana tanjaka 590W ;
– « onduleurs » 6KVA miisa 40 ;
– « batteries » 7Kwh miisa 60.
Mahavita miantoka hatrany amin’ny 85%n’ny filana herinaratra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ireto fitaovana ireto.
Ankoatra ireo, nahazo jiro miisa 1500 koa ny Oniversiten’ Antananarivo. Raha tsiahivina, maro amin’ny trano fianarana teny no tsy nisy jiro intsony na misy fa efa mitsilopilopy.
Mba hahafahana manara-maso ireo fitaovana rehetra napetraka ireo, dia nanome « Caméras de surveillance » miisa 144 koa ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
Ho an’ny fitantanana ny Oniversite kosa dia nisy koa ny fampitaovana solosaina miisa 100.
Nanterin’ Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, tamin’ny fitsidihana nataony fa samy mahazo ny anjarany avokoa ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy, na eo amin’ny lafiny herinaratra izany na ny fampitaovana amin’ny famatsiana rano. Izao atao izao dia tohin’ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ny fivadihana tsikelikely amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ezahina koa ny hametrahana « Panneaux solaires » eny amin’ny Minisitera sy biraom-panjakana rehetra. Ho an’ny lapam-panjakana Iavoloha manokana dia hanomboka amin’ny herinandro ho avy io ny fametrahana « Panneaux solaires » manana tanjaka 500KW.
Tonga nanotrona an’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana tamin’izao fitsidihana nataony teny Ambohitsaina izao Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Andriamatoa Praiminisitra sy mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta.