
Nanatrika ity fotoan-dehibe ity ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila, ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, ireo mpiray andiany faha-23 tamin’ny Praiminisitra vaovao fony izy tany amin’ny Akademia miaramila, ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Primatiora sy ny rantsamangaikany, ary ireo solontena avy amin’ny SAMIFIN. Taorian’izany dia nisy ny fanompoam-pivavahana niraisan’ny rehetra ho fangataham-pitahiana amin’ny andraikitra, ny asa ary ny ezaka hotanterahina.