𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐏𝐂𝐑

Antananarivo, 08 Novambra 2025
Midadasika sy mankadiry ny asa andrasana amin’ny Ministeram-panjakana.
Eo am-pandrafetana ny Stratejia Nasionaly sy isan-tsehatra miampy ny paikady hanatanterahana izany. Fandrafetana miaraka amin’ireo Andrimpanjakana mpanatanteraka sy ireo rafitra hafa.
Anisan’ny singa lehibe iray tsy maintsy hatao ny « Fikaonandoham-pirenena » ialohavan’ny « Fikaonandoha isam-paritra » , izay tarihin’ny FFKM.
Ny Ministeram-panjakana miadidy ny Fanavaozana dia hiara-dia sy hitan-tsoroka ny FFKM amin’ny fanatanterahana izany.
Maro koa ireo dingana sy paika tsy maintsy hatao iarahana amin’ireo rafitra ara-toekarena sy ara-tsosialy, ara-politika, ara-drazana, miampy ireo fikambanana maro samihafa, ary ireo fikambanana Gen Z sy « Gen » isan-tsokajiny na vehivavy na zokiolona, ireo manana fahasembanana sy ny maro tsy voatanisa.
Hiainga any ifotony ny asa ka hiakatra aty antampony, hiafara any amin’ny Fikaonandoham-pirenena izay handinihina sy hanaovana teny ierana mahakasika ny hevi-dehibe rehetra notakiana sy ilaina hifanojo amin’ny filàna ankehitriny ho fanatanterahana ny « REFONDATION DE LA RÉPUBLIQUE » izany hoe ny « FANAVAOZANA NY REPOBLIKA ».
Ny fanavaozana maika, ny fanavaozana fohy ezaka, ny fanavaozana ivo ezaka ary lavitra ezaka dia atao mirindran-dalana ihany koa ka iarahana amin’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra sy ny Andrimpanjakana rehetra.
Hamafisina ny tenin’ny Filoham-panjakana amin’ny fanajana ny tany tan-dalàna. Ny « Décision n° 10-HCC /D3 » tamin’ny 14 Oktobra 2025 no loharanom-pahefana amin’izao fitondrana izao.
Eo amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena dia vonona hanohy sy hiara-hiasa amin’ireo Firenena sy Fikambanana iraisam-pirenena anaty fanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny Malagasy ny Mpitondra Fanjakana.
Hoan’ny Fanavaozana tokoa ho tombotsoa iombonana.
Me Hanitra Razafimanantsoa
Minisi-panjakana