Nitsidika tamim-pomba fanajana ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana ny Fikambanana Silamo Malagasy sy ny « ComitΓ© Nationale de Concertation Citoyenne des MusulmansΒ Β».
Β
Nitarika ny delegasiona tamin’izany Andriamatoa Absoir sy Hadji Mamy.
Nanamafy ny fahavononany handray anjara amin’ny dingana rehetra hahatongavana amin’ny Fanavaozana izy ireo ary vonona ny hanaraka sy hanaja ny fandaminana rehetra mikasika izany.
Β
Ny Minisi-panjakana Me Hanitra Razafimanantsoa ihany koa nanamafy ny fanohanany ny ezaka ataon’ny mpino silamo amin’ny fanatanterahan’izy ireo io fikaonandoham-pirenena ho an’ny silamo Malagasy io.