๐…๐ข๐ค๐š๐จ๐ง๐š๐ง๐๐จ๐ก๐š ๐ก๐จ ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ง๐š๐›๐ž๐š๐ณ๐š๐ง๐š ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ซ๐š๐ง๐š ๐ง๐จ๐ค๐š๐ซ๐š๐ค๐š๐ซ๐š๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ "๐‚๐จ๐š๐ฅ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง๐š๐ฅ๐ž ๐Œ๐š๐ฅ๐ ๐š๐œ๐ก๐ž ๐ฉ๐จ๐ฎ๐ซ ๐ฅ'๐„๐๐ฎ๐œ๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐ฉ๐จ๐ฎ๐ซ ๐ญ๐จ๐ฎ๐ฌ" (๐‚๐Ž๐๐€๐Œ๐„๐๐“) ๐ญ๐ž๐ง๐ฒ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐‚๐‚๐ˆ ๐ˆ๐•๐€๐“๐Ž.

Nanatrika sy nanokatra taminโ€™ny fomba รดfisialy ny fikaonandoha ho anโ€™ny fampianarana sy fanabeazana, ny Mpanolotsaina Avo eo anivonโ€™ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikanโ€™i Madagasikara, ny Lietnร  Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA, izay natao teny aminโ€™ny CCI Ivato androany.
Nanotrona izany koa ny minisi-panjakana eo anivonโ€™ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Ramatoa HANITRINIAINA Elisa Karena, ary ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fampiofanana Araka asa, Andriamatoa TSILEFA Antonio.
ย 
Ny lohahevitra nentina taminโ€™ity fikaonandoha ity dia ny ยซ Fampianarana aminโ€™ny fomba vaovao hoanโ€™ny fanovana anโ€™i Madagasikara : fanavaozana ny rafim-pampianarana miroso mankany aminโ€™ny laharam-pahamehanโ€™ny Plan Sectoriel de lโ€™ร‰ducation (PSE) vaovao 2026-2030 ยป
Fototry ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana, hoy ny Lietnร  Kolonely Gervais, ka izany indrindra no maha zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena ho anโ€™ny Fanabeazana; izay voalohany ho anโ€™ity fitondram-panjakana vaovao ity. Nankasitraka manokana ireo mpikarakara sy mpiara-miombona antoka rehetra koa izy.
ย 
Ny rafitra fanabeazana dia mirindra manomboka aminโ€™ny fampianarana fototra ka hatraminโ€™ny fampianarana ambony. Ity fikaonandoha ity no sehatra iresahana sy ifampizarana mba hanamafisana ny kalitaonโ€™ny fanabeazana.
Manana ny andraikiny feno tokoa ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny Mpanolotsaina Avo, aminโ€™ny sehatry ny fanabeazana, indrindra aminโ€™ny :
ย 
โ€ข famporisihana ireo ray aman-dreny hampiditra ny zanany an-tsekoly ;
โ€ข fanohanana ireo mpampianatra aminโ€™ny asa iantsorohany ;
โ€ข fanatsarana ny fotodrafitrasa ;
โ€ข fiaraha-miasa akaiky aminโ€™ireo mpiara-miombona antoka.
ย 
Nantitranteriny fa ny minisitera telo misahana ny fanabeazana eto aminโ€™ny firenena no misolo tena ny Fanjakana aminโ€™ity fikaonandoha ho anโ€™ny Fanabeazana ity, izay eo ambany fandrindranโ€™ny Minisi-panjakana eo anivonโ€™ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.
Fanombohana ihany izao androany izao, hoy hatrany izy, mbola maro ireo dingana sy asa hotanterahina ho fanohanana ny fanavaozana, na eo aminโ€™ny sehatry ny fanabeazana na aminโ€™ireo sampan-draharaham-panjakana hafa.
Nohamafisina koa fa tsy fanagasiana no tanjona aminโ€™izao, fa fanandratana ny hasina maha malagasy, indrindra aminโ€™ny lafiny toe-tsaina sy ny teny. Tsy hamaivanina velively ny teny vahiny, fa ny fahaizana miteny sy manaja ny teny malagasy dia soatoavina lehibe ho anโ€™ny firenena.