𝐋𝐚𝐤𝐞 𝐕𝐢𝐥𝐥𝐚𝐠𝐞 𝐓𝐬𝐚𝐫𝐚𝐬𝐚𝐨𝐭𝐫𝐚

Nampiseho fahavononana hamaha ny olana sedrain’ny mpianatra mahakasika ny trano fonenana eo anivon’ny Anjerimanontolo ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.
Notolorana ho fonenan’ny mpianatra eo anivon’ny Anjerimanontolo izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany ny trano eny amin’ny « Lake Iarivo Village Tsarasaotra ». Nanatrika izany lanonana izany ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.
Mpianatra manovo fahalalana eo amin’ny dingana « Master II » no miakatra manodidina ny enin-jato (600) ka hatramin’ny fiton-jato (700) no hisitraka izany.
Nanambara ny Filoha fa ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa no hikarakara ny pitsopitsony rehetra mahakasika ny fizarana ny trano. Nohamafisin’Andriamatoa Filoha ny tsy fanekena ny kolikoly amin’ny endriny rehetra mandritry ny fizarana.
Mahakasika ny Oniversite Ankatso manokana, nilaza ny Filoham-panjakana fa mitohy ny fanamboarana ny trano fonenana sy ny trano fidiovana, ny fametrahana ny angovo azo avy amin’ny herinaratra ary ny fametrahana lava-drano hamatsiana rano ho an’ny mpianatra.

.