π‹πšπ§π¨π§πšπ¦-𝐩𝐚𝐧𝐨𝐀𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§-𝐝𝐨𝐑𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π‚π‚πˆ 𝐈𝐯𝐚𝐭𝐨.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fikaonan-doham-pirenena teny amin’ny CCI Ivato ny Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, Andriamatoa ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin, izay nisolo tena ny Filoham-panjakana, notronon’ireo Mpanolotsaina avo mirahalahy, Andriamatoa RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry sy Andriamatoa ANDRIAMIARISOA Gervais.
Fikaonan-doha izay eo ambany fitarihin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy) hanangonana ireo fehin-kevitra rehetra eny ifotony mba hisian’ny tena fanavaozana eto Madagasikara.
Nambaran’ny Mpanolotsaina Avo, Andriamatoa ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin fa handray anjara amin’izao fikaonan-doham-pirenena izao ny ankolafin-kery rehetra ary miainga amin’ny isam-paritra ny atrikasa mialoha ny handravonana ny fehin-kevitra rehetra. Tanjona amin’ny fanaovana izao fikaonan-doha izao raha ny nambarany ny hampivondronana ny Malagasy, ny hanomezan-danja ny kolontsaina, fandrindrana ny rafi-pifidianana amin’ny endriny vaovao, fa indrindra hanamafisana ny fifamatorana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Hiezaka hitady modely ara-toekarena sy ara-tsosialy mahomby sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara koa isika. Nanao antso avo ny fitondram-panjakana fa ny hetsika anio no hamaritra ny ampitso. Koa raha te hanova isika dia miainga amin’ny fanovana toe-tsaina. Ny fahombiazana rehetra dia mitaky faharetana sy fandavan-tena.
Etsy ankilany kosa, notsipihin’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, RAZAFIMANANTSOA Hanitriniaina, fa raharaham-panjakana fa tsy an’ny FFKM ny Fikaonan-doham-pirenena. Harafitra ho lalΓ mpanorenana hizorana mankany amin’ny Repoblika fahadimy ireo fehin-kevitra rehetra voangona miainga avy any amin’ny Fokontany sy ny ambaratonga rehetra.
Amin’ny maha-mpitarika izao Fikaonan-doham-pirenena izao ny FFKM, nilaza ny Filohany, Mgr RAOELISON Jean de Dieu fa dingana lehibe mankany amin’ny fampihavanana sy ny fanavaozana izao dinika atao izao. Tsy hanilihina na hanavahana ankolafy ary tompon-draharaha fa tsy karamaina ireo mpandray anjara rehetra. Mpanapaka ny vahoaka fa tsy mpanome hevitra fotsiny.
Fanombohana ihany moa ity natao androany teto Antananarivo ity fa mbola hisy ny fanangonan-kevitra isam-paritra.