πŒπ„ππ‚π‘ - πŽπˆπ… : π•πŽππŽππ€ π‡πˆπ€π‘π€ π‡πˆπ€π’π€

Tonga nitsidika tamim-pomba fanajana ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Me Hanitriniaina Razafimanantsoa, ny solotenan’ny Vondrona iraisan’ireo firenena mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay – OIF aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, Atoa Traian LaurenΘ›iu Hristea.

Samy naneho fahavononana hiara-hiasa ny roa tonta. Ny hampirindra ny fahatanterahana ny fanavaozana no tanjona amin’izany.