Ampanjaka manjaka, izany hoe mbola amperin’asa, miisa 14, avy any amin’ny telozoron’ Avaratra tonga nanome tso-drano sy ny hetaheta hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fanavaozana izay hatao tao amin’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana ny Alatsinainy 03 Novambra 2025. Zava-dehibe ny tso-drano rehefa mandray andraikitra mankadiry ka nitondra izany ho an-dRamatoa Ministra izy ireo.
Ankoatr’izay dia nitondra tolo-kevitra samihafa entina manatanteraka ny Fanavaozana izy ireo. Anisan’izany ny fametrahana ny Filankevitry ny Fanavaozana isam-paritra. Nanterin’izy ireo fa miteraka fahombiazana ho an’ny fanavaozana ny fahasahiana mitondra izany eny ifotony sy mihaino ny feon’ny vahoaka.
Ramatoa Ministra kosa dia nanamafy fa io fifampihainoana io mihitsy no tena lalan-tsaina fototra itondrana ny Firenena mankany amin’ny tsara kokoa. Nambarany fa hoentiny eo amin’ny rafi-pitondrana mahefa ireo soso-kevitra nentin’ireto Ampanjaka Manjaka avy any amin’ny telozoron’ Avaratra ireto.