π‘πˆπ•πŽπƒπŽπ™π€ π†π„π™π€ππˆ : πŒπˆπ‘πŽπ’πŽ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πˆππƒπ‘π€ππ€ πŒπ€πˆπŠπ€ π„πŽ π€ππˆπ•πŽπβ€™ππ˜ π†πŽπ•π„π‘ππ„πŒπ€ππ“π€, π‡π€ππ€π‘πˆππ€ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π•πŽπ€π™π€ππ€ π€πŽ π€ππ€π“πˆπβ€™ππ˜ π…πˆπ‘π€πˆπ’π€ππŠπˆππ€

π‘³π’‚π’‘π’‚π’β€™π’Š π‘΄π’‚π’‰π’‚π’›π’π’‚π’“π’Šπ’—π’
[𝑭𝒂𝒉𝒂-11 π’‡π’†π’ƒπ’“π’π’‚π’“π’š 2026]
πŸ”΅ Manaraka akaiky ny fivoaran’ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI eto Madagasikara ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, na dia eo am-panatanterahana iraka any ivelany aza amin’izao fotoana izao. Ho setrin’ny hamehana ateraky ny toe-draharaha dia niantso Filankevitry ny Governemanta maika ampitain-davitra ny tenany izao maraina izao, mba handrindrana haingana ny fepetra raisina sy hanamafisana ny fanohanana ireo faritra voakasika.
⚫ Miondrika am-panajana manoloana ireo aina nafoy ny Governemanta manontolo, ary maneho fiaraha-miory lalina sy mankahery ireo fianakaviana traboina. Laharampahamehana ny fiarovana ny mponina sy ny fanarenana haingana ny fahasimbana nateraky ny rivodoza, hoy ny Praiminisitra.
πŸ‘‰πŸ» Nohamafisina nandritra ny Filankevitra ny fanetsiketsehana ireo sampandraharaha rehetra voakasika, hiantohana ny fandefasana fanampiana ara-potoana sy ny fanombanana ny fahavoazana eny ifotony. Efa miroso ihany koa ny fandrindrana ny asa fanarenana, indrindra amin’ireo fotodrafitrasa sy tokantrano simba.
πŸ“Œ Nanamafy ny Praiminisitra fa ny fisian’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, KΓ΄lΓ΄nely Randrianirina MickaΓ«l any an-toerana, miara-miatrika izany amin’ny vahoaka, dia loharanon-kery ahafahana mampanjary amin’ny fomba haingana ireo toromarika rehetra. Miantso ny firaisankinan’ny olompirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena hiray hina amin’i Madagasikara ihany koa ny Praiminisitra amin’izao fotoana izao, hanohana, hiara-hientana sy handray anajara feno amin’ny fanarenana an’i Toamasina sy ireo faritra rehetra voakasiky ny rivodoza GEZANI.
Loharanom-baovao: Primatiora