๐‘๐ˆ๐•๐Ž๐ƒ๐Ž๐™๐€ ๐†๐„๐™๐€๐๐ˆ : ๐Œ๐ˆ๐‘๐Ž๐’๐Ž ๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐€๐๐€ ๐Œ๐€๐ˆ๐Š๐€ ๐„๐Ž ๐€๐๐ˆ๐•๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐†๐Ž๐•๐„๐‘๐๐„๐Œ๐€๐๐“๐€, ๐‡๐€๐๐€๐‘๐ˆ๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐•๐Ž๐€๐™๐€๐๐€ ๐€๐Ž ๐€๐๐€๐“๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐๐Š๐ˆ๐๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’โ€™๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-11 ๐’‡๐’†๐’ƒ๐’“๐’๐’‚๐’“๐’š 2026]
๐Ÿ”ต Manaraka akaiky ny fivoaranโ€™ny fandalovanโ€™ny rivodoza GEZANI eto Madagasikara ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, na dia eo am-panatanterahana iraka any ivelany aza aminโ€™izao fotoana izao. Ho setrinโ€™ny hamehana ateraky ny toe-draharaha dia niantso Filankevitry ny Governemanta maika ampitain-davitra ny tenany izao maraina izao, mba handrindrana haingana ny fepetra raisina sy hanamafisana ny fanohanana ireo faritra voakasika.
โšซ Miondrika am-panajana manoloana ireo aina nafoy ny Governemanta manontolo, ary maneho fiaraha-miory lalina sy mankahery ireo fianakaviana traboina. Laharampahamehana ny fiarovana ny mponina sy ny fanarenana haingana ny fahasimbana nateraky ny rivodoza, hoy ny Praiminisitra.
๐Ÿ‘‰๐Ÿป Nohamafisina nandritra ny Filankevitra ny fanetsiketsehana ireo sampandraharaha rehetra voakasika, hiantohana ny fandefasana fanampiana ara-potoana sy ny fanombanana ny fahavoazana eny ifotony. Efa miroso ihany koa ny fandrindrana ny asa fanarenana, indrindra aminโ€™ireo fotodrafitrasa sy tokantrano simba.
๐Ÿ“Œ Nanamafy ny Praiminisitra fa ny fisianโ€™ny Filohanโ€™ny Fanavaozana ny Repoblika, Kรดlรดnely Randrianirina Mickaรซl any an-toerana, miara-miatrika izany aminโ€™ny vahoaka, dia loharanon-kery ahafahana mampanjary aminโ€™ny fomba haingana ireo toromarika rehetra. Miantso ny firaisankinanโ€™ny olompirenena sy ireo mpiara-miombonโ€™antoka iraisampirenena hiray hina aminโ€™i Madagasikara ihany koa ny Praiminisitra aminโ€™izao fotoana izao, hanohana, hiara-hientana sy handray anajara feno aminโ€™ny fanarenana anโ€™i Toamasina sy ireo faritra rehetra voakasiky ny rivodoza GEZANI.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ