
Migadona eto Toamasina ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Herintsalama Rajaonarivelo Andriamasy amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ireo delegasiaona avy amin’ny Firenena Mikambana tarihin’ny Mpandrindra maharitr’izy ireo eto Madagasikara, Andriamatoa Anthony Ngororano, sy ny avy eo anivon’ny Federasiaona Iraisampirenen’ny Croix rouge sy ny Croissant rouge tarihin-dRamatoa Caroline Dewast, tomponandraikitry ny Sampana misahana ny trano fonenana eo anivon’ny IFCR; miaraka midina ifotony mijery izay fomba ivoahana haingana ao anatin’izao voina izao.