𝐕𝐎𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐅𝐄𝐏𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐄𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐈𝐀𝐍𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐎𝐌𝐂 𝐍𝐀𝐒𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋𝐘

𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂-16 𝒇𝒆𝒃𝒓𝒐𝒂𝒓𝒚 2026]
🛑Mahatratra 80%-n’ireo tanàna ao Toamasina amin’izao fotoana izao no ahitana traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Manoloana izany toe-javatra izay mamparefo ny mpiray tanindrazana izany ka ahiana hisian’ny fanararaotana dia nanambara ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, fa laharampahamehana ny fametrahana sy fanamafisana ny fandriampahalemana, mba hiantohana ny filaminam-bahoaka sy hanamorana ny asa famonjena sy fanarenana. Io no nambarany nandritra ny fivoriana fandrindrana ireo paikady niarahany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Organe Mixte de Conception (OMC) nasiônaly androany.
📌Nanamafy ny Praiminisitra, izay sady Lehiben’ny OMC nasiônaly nandritra ity fihaonana ity, fa hohatevenina ny fitandroana ny filaminana eny ifotony, hapetraka ny fomba fiasa maty paika sy mirindra, ary hahetsika avokoa ireo rafitra rehetra voakasika, mba hahafahana mamerina haingana amin’ny laoniny ny fiainan’ireo mponina sy miantoka ny fahamarinan-toeran’ny faritra.
Loharanom-baovao : Primature