Nifarana androany ny Dinika ho Fanaingana ny Toekarena, izay nanamarika indrindra ny andro natokana ho an’ny fanolorana ny vokatry ny adihevitra sy soso-kevitra nivoitra nandritra ireo fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpisehatra anivon’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Naseho nandritra izany ireo tolo-kevitra sy hevitra lehibe mikasika ny fanatsaràna ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola ary ny fanamafisana ny fifaninanana ara-toekarena.
Naneho ny fanantenany ihany koa ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’ny fanamafisana ny fitokisana sy ny famoronana tontolo ara-toekarena mahasarika ny fampiasam-bola.
Ao anatin’izany anefa, dia manana anjara andraikitry ny Fanjakana amin’ny fametrahana rafitra sy tontolo manohana ny fampandrosoana ara-toekarena, mba hahafahan’ny sehatra tsy miankina mandray anjara bebe kokoa amin’ny famoronana asa sy harena.
Dingana iray amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampidinihana eo amin’ny roa tonta ity hetsika ity, miaraka amin’ny tanjona iombonana hanohanana ny fanaingana ny toekarena sy ny fampandrosoana maharitra.