𝗙𝗙𝗞𝗠: FOTOAM-BAVAKA HO FANOKAFANA NY HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA SADY IVON'NY FANKALAZANA FAHA-45 TAONAN'NY FFKM

📍Katedraly Andohalo.
🗓18 JANOARY 2026
✅Filohan’ny Fanavaozana,Colonel Randrianirina nandray fitenenana momba ny Fikaonandoham-pirenena:
▪️ Manantena anareo filoham-piangonana 4 mirahalahy ny Malagasy mba ho olona tena tia tanindrazana no apetraka hikarakara azy
▪️ Aoka mba tsy olona hisafidy lalana hafa dieny mialoha fa mba hisalotra ny fahendrenareo 4 mirahalahy.
▪️ Hevitra iarahan’ny rehetra manapaka no entina hitondrana an’i Madagasikara rehefa vita ny Fikaonandoham-pirenena tsy an’ny tanora.
✅ Fifamindram-pitantanana: 𝗠𝗼𝗻𝘀𝗲𝗶𝗴𝗻𝗲𝘂𝗿 𝗥𝗔𝗡𝗔𝗥𝗜𝗩𝗘𝗟𝗢 𝗦𝗮𝗺𝗼𝗲𝗹𝗮 𝗝𝗮𝗼𝗻𝗮, avy amin’ny fiangonana EEM (Eklesia Episkopaly Malagasy) no filoha vaovao handimby ny Monseigneur Jean De Dieu RAOELISON.