𝗙𝗶𝘇𝗮𝗿àna 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗿𝗮𝗯𝗼𝗶𝗻𝗮: "ANS Ampefiloha"

🗓️04 febroary 2026
📍ANS Ampefiloha
Traboina tao amin’ny Boriborintany voalohany indray no notsidihan’ny solontena avy amin’ny Fitondram-panjakana notarihin’ny Minisi-panjakana, Me Hanitra Razafimanantsoa niaraka tamin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompina ary ny Minisitry ny Haitao Ara-kajy Mirindra ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
✅Toy ny nataon’ny Filoham-panjakana sy ireo Mpanolontsaina Avo izay any amin’ny Faritr’i Boeny, ary ny Praiminisitra sy ireo Ministra sasany any amin’ny Faritra Atsinanana, dia nitondra ny teny fampaherezana sy nampiseho fiaraha-mientana ihany koa izy ireo ho an’ireo mponina izay voatery niala ny tranony noho ny fiakaran’ny rano vokatry ny rivo-doza Fytia.
✅Manoloana ny fitarainan’ny mponina teny antoerana amin’ny fiverimberenan’ny voina dia nilaza ny Minisi-panjakana 𝐌𝐞 𝐇𝐚𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐚𝐳𝐚𝐟𝐢𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐚, fa henon’ny fitondram-panjakana ny taraina sy ny marary ny vahoaka ka hojerena ny vahaolana maharitra hialana amin’izany ary tafiditra anatin’ny fanavaozana ihany koa izany.
✅Nanentana ny rehetra hikajy ny fahadiovana ihany koa izy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. « Isika rehetra no mila mihavao, fiaraha-mientana sy fifanomezan-tànana no atao » hoy izy tamin’izany.
✅Notolorana fanomezana toy ny vary, menaka sy voamaina izy ireo.
✅Ho an’ny boriborintany voalohany, ankoatra ny teo amin’ny ANS Ampefiloha dia misy toerana fandraisana tra-boina ihany koa ny ao amin’ny Tanimenabe APIPA Ampefiloha, Gymnase Mahamasina, ny Tranompokonolona Madera Namontana izay ahitana traboina maherin’ny arivo.