๐— ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—”-๐— ๐—œ๐—˜๐—ก๐—ง๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—™๐—”๐— ๐—ข๐—ก๐—๐—˜๐—ก๐—” ๐—ฆ๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—๐—ข๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ง๐—ฅ๐—”-๐——๐—ข๐—ญ๐—” ๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ก๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—”๐—ก๐—š๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—•๐—ก๐—š๐—ฅ๐—– ๐—ฆ๐—ฌ ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ฅ๐—”๐—™๐—œ-๐—ฃ๐—”๐—ก๐—๐—”๐—ž๐—”๐—ก๐—”

๐Ÿ—“๏ธ 2 ๐™ต๐šŽ๐š‹๐š›๐š˜๐šŠ๐š›๐šข 2026
๐Ÿ“ ๐™ฑ๐™ฝ๐™ถ๐š๐™ฒ ๐™ฐ๐šŸ๐šŠ๐š›๐šŠ๐š๐š›โ€™๐™ฐ๐š—๐š๐šŠ๐š—๐š’๐š–๐š˜๐š›๐šŠ
โœ… Manohy miara-miasa am-pirahalahiana sy am-pandraisana andraikitra feno ireo rafi-panjakana sy ireo mpiara-miombonโ€™antoka rehetra, ho famaliana haingana sy mahomby ny filร nโ€™ny mponina.
Notarihin-dRamatoa Maรฎtre Hanitra RAZAFIMANANTSOA Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny fivoriana, niarahana taminโ€™ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Minisitry ny Fampandrosoana nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina. Natrehinโ€™ny Benโ€™ny Tanร nanโ€™Antananarivo Renivohitra, Lehibenโ€™ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, Lehibenโ€™ny Prefektiora, Lehibenโ€™ny Distrika Antananarivo I, II, III, IV, V, VI, ireo solombavambahoaka, ny BNGRC, ary ireo andrim-panjakana sy ireo rantsa-mangaika rehetra voakasikโ€™izany.
โœ…Nifantoka taminโ€™ny fandaminana sy ny fanapahan-kevitra ary ny fitsinjarana andraikitra ny fivoriana, mba hanamafisana ny fandrindrana ny asa sy hisorohana ny fifanitsahana andraikitra, araka ny zava-misy sy ny filร na isaky ny distrika, manoloana ny voka-dratsinโ€™ny fandalovanโ€™ny rivo-doza FYTIA.
๐Ÿ‘ฅ Nohamafisina manokana ny maha-zava-dehibe ny fitsinjovana ny maha-olona, ho fiarovana sy fanavotana ireo mpiray tanindrazana niharan-doza. Anisanโ€™ny asa laharam-pahamehana nodinihina ny famatsiana sakafo, ny fampiasana motopompes, ny fametrahana ireo ekipa mpitsabo sy ekipa vonjy taitra, ary ny fandaminana ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
๐Ÿšจ Nojerena ihany koa ny lafiny ara-pahasalamana, ka tafiditra ao anatinโ€™izany ny fepetra sy ny fandaminana ho fiarovana ny mponina manoloana ny valanโ€™aretina Mpox, sy ny fisorohana ny mety ho fiparitahanโ€™izany.