π—₯π—œπ—©π—’π——π—’π—­π—” π—šπ—˜π—­π—”π—‘π—œ : π—™π—œπ—©π—’π—₯π—œπ—”π—‘π—” 𝗦𝗧π—₯π—”π—§π—˜π—π—œπ—žπ—” π— π—”π—œπ—žπ—” 𝗑𝗒𝗧𝗔π—₯π—œπ—›π—œπ—‘β€™π—‘π—¬ π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œ-π—£π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π—‘π—” π— π—œπ—”π——π—œπ——π—¬ 𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗩𝗔𝗒𝗭𝗔𝗑𝗔 π—§π—˜π—§π—’ π—”π—‘π—œπ—©π—’π—‘β€™π—‘π—¬ 𝗖𝗑𝗖𝗒𝗨 - π—•π—‘π—šπ—₯𝗖.

11 π™΅πšŽπš‹πš›πš˜πšŠπš›πš’ 2026 – π™²π™½π™²π™Ύπš„, π™±π™½π™Άπšπ™² π™°πšŸπšŠπš›πšŠπšπš›β€™π™°πš—πšπšŠπš—πš’πš–πš˜πš›πšŠ
πŸ”— Manoloana ny hamafin’ny fahasimbana nateraky ny rivodoza GEZANI, dia notanterahina androany 11 Febroary 2026 teto amin’ny Ivontoeram-pirenena Fitarihana ny Asa Vonjy Taitra (CNCOU) eto anivon’ny BNGRC ny fivoriana stratejika ambony notarihin’ny Minisi-panjakana miadidy ny fanaovazana Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Hanitra sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sasany .
πŸ“ŒAraka ny tombana voalohany dia mahatratra hatrany amin’ny 80 % ny fahasimbana ao an-tanΓ nan’i Toamasina, izay isan’ireo tena voadona mafy. Nampahafantarina nandritra ny fivoriana ny lahatsary nalain’ny ekipa Serasera BNGRC tamin’ny alΓ lan’ny β€œdrone”, izay mampiseho mazava tsara ny halehiben’ny fahavoazana sy eny ifotony eny anivon’ny vondrom-piaraha-monina .
βœ…Fanamafisana haingana ny fitaovana sy ny hery entina miatrika ny vonjy taitra
πŸ‘‰ Ho fanohanana ny asa vonjy taitra efa mandeha, dia natsangana avy hatrany ny fanamafisana ara-pitaovana, ka anisan’izany ny kamiao mitondra lay, β€œtronΓ§onneuse” ary milina famoahana rano (motopompe).
βœ… Nanapa-kevitra ihany koa ny Governemanta ny handefa fiaramanidina amin’ny dingana roa mifanesy :
β€’ Dingana voalohany : fitaterana ireo mpiasan’ny vonjy taitra sy ekipa teknika ; izay marihina fa efa tonga any an-toerana ireto ekipa ireto ny tolakandro teo ;
β€’ Dingana faharoa : fandefasana sakafo sy fitaovana maiaka fanampin’ireo izay efa any.
βœ… Napetraka ihany koa ny rafitra fandefasana hafatra fohy (SMS broadcasting) amin’ny toerana misy ny olona ahiana hisian’ny loza (oh : fihotsahan’ny tany na rano miakatra …) , ho fanamafisana ny fampitam-baovao sy fanairana ny mponina voakasika mba handraisana fepetra haingana.
βœ…Fandrindrana iombonana sy valin-kafatra maha-olona manontolo
πŸ“ŒMiara-mientana ny sehatra rehetra miandraikitra ny asa maha-olona mba hiantohana ny fandraisana andraikitra mirindra ho an’ireo traboina. Anisan’ny asa iarahana :
β€’ fitadiavana vahaolana maika momba ny fitaterana sy famatsiana solika ;
β€’ famerenana tsikelikely ny herinaratra ;
β€’ fanaraha-maso ny vidin’ny akora fanorenana ;
β€’ fandrindrana ny fanarenana haingana sy fanomezana fanampiana vonjy taitra ;
β€’ fandrindrana mialoha ho an’ireo Faritra mety mbola hisy fiantraikany.
βœ… Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana dia efa nisy ny fandraisana andraikitra mialoha, ka voatendry ny tompon’andraikitra isaky ny toerana, mba hiantohana ny fahombiazan’ny asa eny an-kianja.
βœ…Fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa manan-danja.
πŸ“ŒAtokana manokana ny fanaraha-maso ireo tohodrano sy fotodrafitrasa mahakasika ny rano. Anisany tena arahina akaiky ny renirano Sisaony sy ny tohodranon’ny Tsiazompaniry, izay ahiana manokana.
βœ…Ny Fitaleavana CERVO kosa no miandraikitra ny fanangonana sy fanadihadiana ny angon-drakitra, ho fanohanana ny fanapahan-kevitra stratejika raisina .
🎯 Fandraisan’anjaran’ny Governemanta manontolo
Nanatrika ity fivoriana ity ny Minisi-panjakana miadidy ny fanavaozana sy ireo Minisitra miandraikitra , ny Fahasalamam-bahoaka, ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina, ny Solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Fanabeazam-pirenena, ny Tafika Malagasy, ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Asa Vaventy, ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ny Angovo sy ny Solika.
🎯 Ankoatra ny fiatrehana ny vonjy taitra, dia niompana ihany koa tamin’ny paikady fanarenana ara-toekarena eny ifotony ny dinika, mba hanohanana maharitra ireo mponina voakasika.
βœ… Eo anilan’izany, vonona hanome sakafo mafana ho fanohanana ara-tsosialy sy maha-olona ny β€˜β€™Office National de Nutrition β€˜β€™(ONN).
πŸ”– Manamafy ny fahavononany tanteraka ny Governemanta amin’ny fanatanterahana valin-kafatra mirindra, haingana ary mahomby manoloana ny voka-dratsin’ny rivo-doza GEZANI, ary miantso ny firaisan-kina nasionaly sy iraisam-pirenena ho fanohanana ireo vondrom-piarahamonina traboina.