π™π™„π™†π˜Όπ™Šπ™‰π˜Όπ™‰π˜Ώπ™Šπ™ƒπ˜Όπ™ˆ-𝙋𝙄𝙍𝙀𝙉𝙀𝙉’𝙉𝙔 π™π˜Όπ™‰π™Šπ™π˜Ό : π™‰π˜Όπ™π˜Όπ™Š 𝙉𝙔 π™‘π˜Όπ™‡π˜Όπ™‰π˜Ώπ™π™€π™Žπ˜Όπ™†π˜Ό π™ƒπ™Š π˜Όπ™‰β€™π™‰π™” π™ˆπ™‹π˜Όπ™‰π˜Όπ™Š π™‚π˜Όπ™•π™€π™π™”, π™‰π™„π™Žπ™” 𝙉𝙔 π˜Όπ™‰π™π™Žπ™Š π˜Όπ™‘π™Š π™ƒπ™Š π˜Όπ™‰β€™π™‰π™” π™π˜Όπ™‰π™Šπ™π˜Ό

βœ…Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena androany 09 Martsa 2026 tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ho fampahafantarana sy fanamafisana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora, izay hotanterahina ny Alarobia 11 Martsa 2026 ao amin’ny CCI Ivato.
βœ…Nandritra izany dia nanao antso avo ho an’ny tanora rehetra tsy ankanavaka Andriamatoa Alain DΓ©sirΓ© RASAMBANY, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, mba handray anjara amin’ity sehatra lehibe ho an’ny tanora ity. Nantsoina handray anjara avokoa ny tanora avy amin’ny fikambanana samihafa, mpianatra, mpiasa, mpandraharaha, tanora manana fahasembanana, ary ireo tanora miasa amin’ny sehatra maro toy ny nomerika,mpitia fanatanjahantena, mozika na fikatrohana ara-tsosialy, eto an-toerana sy any am-pielezana.
βœ…Nohamafisiny fa ny tanora mihitsy no hiara-hamolavola ny dingana manaraka amin’ity fikaonandoha ity. Mandritra ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy dia hiara-hametraka ny paikady sy ny fomba fiasa hahafahana mitondra ny dinika any amin’ny kaominina, distrika ary faritra ny tanora. Hiafara amin’ny fanangonana ny angon-kevitra nasionaly izany, izay hatolotra amin’ny rafitra mahefa. Ny komity mpikarakara kosa dia mpanamora sy mpandrindra ihany, fa ny tanora mihitsy no tompon’andraikitra amin’ny famolavolana ny hevi-dehibe sy ny lΓ lana ho amin’ny hoavin’ny firenena.
Loharanom-baovao :Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena