𝗙𝗶𝗸𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮 𝗻𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮

🗓️7 Aprily 2026
📍Foiben’ny Minisiteran’ny Fanavaozana
Antaninarenina
🗣️𝗙𝗶𝗸𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮 𝗻𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮 : mitohy ny fanomanana eo amin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana (MCR) sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS)
🟢Nihaona omaly ny Sekretera Jeneralin’ ny Minisitera roa tonta sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky mba hametrahana fomba fiasa manaraka ny fenitra hampahombiazana ny fikaonandoha
anatin’ny fanomanana ny Fikaonandohan’ny Tanora.
🔴Tao anatin’ireo teboka no dinihina ihany koa ny sehatra fanehoan-kevitry ny tanora na ny « Cercle de réflexion des jeunes».
✅Ny 14 aprily izao no hanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoha nasionalin’ny Tanora. Aorian’izay dia hisy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Talem-paritra avy amin’ny minisitera roa tonta izay aharitra telo andro eo.