Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
FAMPITAM-BAOVAO
LAHATENIN’ ANDRIAMATOA FILOHAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
GLOBAL SOUTH UTILITIES
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Mba saino kely ange hoe: any ho any, misy kaontinanta iray, ny kaontinanta misy antsika, ahitana masoandro mibalika mandritra ny 300 andro anaty taona iray, manana renirano maro matanjaka afaka mamokatra hazavana ho an’ny firenena iray manontolo… Kanefa amin’izao ora itenenako izao, aty amin’ny tapany Atsimo, mbola an-tapitrisany ny tokantrano miaina anaty haizina rehefa milentika io masoandro io ary tsy afaka misitraka akory ny rano ananany, izay antoky ny aina.
Io no antsoina hoe « Fifanoherana aty Atsimo » (Paradoxe du Sud) : manana harena voajanahary isika kanefa voafetra ny fahafahantsika misitraka izany.
Na dia mipetraka eo ambonin’ireo tahirin’angovo azo havaozina lehibe indrindra eto an- tany aza isika dia mbola isan’ireo tena marefo indrindra manoloana ny fiovaovàn’ny toetrandro ary isan’ireo mahantra indrindra ihany koa satria misedra tsy fahampiana goavana eo amin’ny fotodrafitrasa momba ny angovo.
Ankehitriny, miatrika fanamby telo lehibe ny firenentsika raha tsy mba nanana izany olana izany kosa ireo firenena any Avaratra (les pays du Nord).
-Voalohany: ny fidangan’ny filàna vokatry ny fitombon’ny isan’ny mponina
-Faharoa ny farefoana vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro
-Ary farany ny sandan’ny renivola izay avo loatra ka manakana ny fampiasam-bola ilaina amin’ny tetezamita momba ny angovo (transition énergétique).
Nandritra ny fotoana lava loatra ireo orinasa mpamokatra sy mpamatsy angovo teto amintsika dia voafatotra tamin’ny solika mavesatra, mandoto, lafo vidy ary miantehitra amin’ny fiovaovàn’ny tsena maneran-tany. Tapitra io modely io. Tsy tara ny firenena aty Atsimo. Manavao sy mametraka fitsipika vaovao isika ankehitriny. Eny ! hamiratra lavitra mihoatra noho ny nampoizina ny hoavin’ny firenena aty Atsimo.
Raha ho an’i Madagasikara manokana dia tsy raisinay intsony ho toy ny lahatra tsy azo ihodivirana ny olan’ny angovo fa avadikay ho fahafahana ara-toekarena lehibe izany. Ny tenako dia avy amina Nosy izay tsy mametraka ny masoandro sy ny rano ho loharanon- karena voajanahary fotsiny ihany fa tena AINA ary antoky ny fahavelomana sy ny hoavy mihitsy.
Nanao safidy mazava izahay : tsy heverina ho toy ny fandaniana ny angovo azo havaozina fa hosokajiana ho toy ny fampiasam-bola ara-toekarena stratejika.
Manolotra fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra mpampiasa vola izahay, miorina amin’ny foto-kevitra tsotra : ianareo mampiasa vola amin’ny tetikasa azo antoka, izahay kosa miantoka rafitra mazava, marin-toerana ary manaja lalana.
Fiaraha-miasa ahazoan’ny roa tonta tombontsoa izany (partenariat gagnant-gagnant): -Mahasoa ny mpampiasa vola, amin’ny alalan’ny fahitana mazava ny tombom-barotra mety ho azony ary ny fiarovana ara-dalana;
-Mahasoa an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fisitrahana angovo madio, afaka mifaninana tsara amin’ny hafa ary indrindra mamorona sanda ara-toekarena eo an-toerana.
Raisintsika ho ohatra ny zava-bita tao Moramanga. Raha tokony hiandry am-polo taonany maro ny fanorenana fotodrafitrasa vaovao, dia nanomboka fandaharanasa haingana momba ny « hybridation » izahay. Eo am-panovana toby famokarana herinaratra « thermique » efa tranainy be sy mandoto tontolo iainana ho lasa ivon-toerana « hybride » izahay ankehitriny. Nampifandraisinay ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro 40MW sy ireo fotodrafitrasa mpamokatra hafanana na « installations thermiques » efa nisy tao. Vokany: nihena any amin’ny ampahatelony ny vidin’ny famokarana.
Fantatray tsara fa ny fotoana no loharanon-karena sarobidy indrindra ho an’ny mpampiasa vola ankehitriny. Izany no antony nanaovan’i Madagasikara fanovàna lalina amin’ny fomba fiasa, toy ny fanafohezana ny fe-potoana, fanamorana ny dingana ara-pitantanana ary fandrindrana ny fanapahan-kevitra.
Hataonay laharam-pahamehana ireo tetikasa haingana sy mora tanterahina, azo ampitomboina tsikelikey, ary ahazoana vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny volana vitsivitsy, fa tsy voatery hiandry am-polo taonany maro.
Any Madagasikara, mitovy lanja amin’ny VINA ny FANATANTERAHANA. Mandroso haingana izahay, saingy mandroso am-pahamarinana sy am-pitandremana.
Inona ary no vokatra ? Fihenana hatramin’ny 30% -n’ny sandan’ny fandaniana amin’ny solika avy hatrany. Izany no antsoiko hoe « Smart-Greening » : fampiasana izay efa eo am- pelantanantsika mba hanohanana sy hamatsiana izay tanjona lavitra ezahintsika hotratrarina. Tsy handrava izay efa misy isika, fa hanova sy hanatsara azy.
Isaky ny « megawatt » iray azo amin’ny herinaratra avy amin’ny masoandro ampidirina ao amin’ny tambajotra ampiasaintsika dia iray miliara ariary no voatahiry amin’ny solika hafarana. Izany ilay antsoina hoe « fizakan-tena momba ny angovo »
Mbola misy ihany koa ny fanamby lehibe iray hafa ho an’i Madagasikara, izay iainan’ny firenena tatsimo maro, indrindra amin’ny kaontinanta afrikana : Ahoana no ahatongavana any amin’ireo tanàna sy vohitra lavitra indrindra ? indraindray, sarotra tanterahina amin’ny lafiny ara-bola ny mametraka tambajotra tokana mahenika ny tanana rehetra (réseaux centralisés).
Raha ho an’i Madagasikara manokana dia nosokafanay ho an’ny sehatra tsy miankina ny famatsiana angovo amin’ny alalan’ny « concessions mini-réseaux ». Any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, izay mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro mafy indrindra izao, dia mametraka vahaolana amin’ny fampiasana ny masoandro sy ny mpandraharaha toa an’i Tozzi Green, ka toerana 50 izay tsy nojerena firy taloha no misitraka izany.
Ny hafainganam-pandeha eo amin’ny fikarakarana sy ny fanatanterahana dia tsy hanimba velively ny fahatsaran’ny tolotra.
Misokatra amin’ny fampiasam-bola i Madagasikara saingy misy ny fepetra tsy maintsy arahina. Mangataka izahay ny fanajana :
-ny fenitra ara-tontolo iainana iraisam-pirenena,
-ny fenitra ara
-tekinika voasedra sy voaporofo,
-ary ny fampidirana am-panajana ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony.
Satria ny tetikasa momba ny angovo izay tsy manaja ny tontolo iainana dia tsy maharitra. Ary ny tetikasa izay tsy manaja ny vahoaka dia tsy azo iainana maharitra.
Ankehitriny, ny tantsaha malagasy iray misitraka herinaratra milamina sy madio dia afaka manova sy manodina ny vokatra ananany. Tsy resaka angovo fotsiny izany fa mipaka hatrany amin’ny rariny ara-piarahamonina mihitsy.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Ry namana mpiara-miasa avy amin’ny firenena aty amin’ny faritra Atsimo, Isika rehetra mpitarika mivory eto Abu Dabhi androany,
Tonga izahay hanolotra fiaraha-miasa ho an’ny fitomboana ara-toekarena. Amin’izao fotoana izao dia manangana tetikasa goavana tahaka an’i Sahofika ny Volobe izahay ao Madagasikara mba hahatrarana ny 75%-n’ny angovo azo havaozina alohan’ny taona 2030.
Ity herinandro fihaonana eto Abu Dabhi ity dia ivon’ny asa sy ny fanapahan-kevitra. Tapitra ny fotoanan’ny «diplaomasian’ny teny fikasana sy ny fampananatenana », tonga izao ny fotoanan’ny fanatanterahana.
Ho anareo mpampiasa vola manatrika izao herinandro fihaonana eto Abou Dabhi izao, manasa anareo izahay tsy hijery fotsiny ny antontan’isa ara-bola, fa handinika ihany koa ny haabon’ny vinan’ny fitomboana maharitra ananan’i Madagasikara.
Ny « Sud Global » dia tsy tokony hosokajiana ho isan’ny loza mitaky fandrindrana fa andry lehibe entina manalefaka ny fiovan’ny toetrandro sy ny fanesorana entona karbônina maneran-tany.
Vonona tanteraka i Madagasikara. Manana harena voajanahary miavaka i Madagasikara, manana vina mazava eo amin’ny sehatry ny angovo, manana tetikasa voafaritra tsara ary indrindra manana finiavana ara-pôlitika matanjaka izahay.
Tsy fampanantenana no tadiavinay fa ny hananana fiaraha-miasa maty paika, ahafahana manorina, mitantana ary mampita fahaiza-manao, ho tombontsoan’ny roa tonta sy ho an’ny taranaka ho avy.
Ho an’ireo tanora, mpamorona sy mpandrindra vahaolana, manentana anareo izahay hanolotra vahaolana maharitra, mahazaka sedra ary mifanaraka amin’ny zava-misy ara-
piarahamonina sy ara-kolontsaina eny ifotony.
Tsy sehatra mila fandresen-dahatra intsony i Madagasikara fa mpiara-miombonantoka azo itokisana. Tsy safidy ara-poto-kevitra eto ny angovo azo havaozina fa fototra ilaina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-piarahamonina. Ireo mpampiasa vola ao Madagasikara amin’izao fotoana izao dia handray anjara goavana amin’ny iray amin’ireo hoavin’ny angovo lehibe indrindra aty amin’ny ilabolan-tany Atsimo fa tsy amina tetikasa mahomby fotsiny ihany.
Andao hampiasaintsika ny tolotra ao amin’ny << Sud Global » mba ho milina enti- manalefaka ny entona karbônina maneran-tany, ary ho seha-pikarohana ho an’ny fampandrosoa lovainjafy.
Miposaka izao ny masoandro ho an’i Madagasikara, ary miaraka amin’izay koa ny vanim- potoana vaovao momba ny fahaleovantena amin’ny angovo sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Misaotra tompokolahy,
Mankasitra tompokovavy
Michaël RANDRIANIRINA
Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara