𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝑭𝑰𝑫𝑰𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑭𝑶𝑻𝑶𝑵𝒀

Nidina ifotony tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana ny Fiadidiana ny Fanavaozana an’i Madagasikara – Présidence de la Refondation de la République de Madagascar – PRRM sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ary ny Minisitry Fahasalamam-bahoaka manoloana ny toe-draharaha any an-toerana.
Isan’ireo nandray azy ireo teny, ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena, Ibrahim Issa Charles, Ramatoa lehiben’ny Prefektiora, TSIRINARY Hermine Jahda sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Tao anatin’izany dia nohamafisin’ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena fa tena marary, ny mpianatry ny faritanin’ Antsiranana

 

𝑽𝑨𝑯𝑨𝑶𝑳𝑨𝑵𝑨 𝑯𝑶 𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑴𝑷𝑰𝑨𝑵𝑨𝑻𝑹𝑨

Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony fa an-dalam-pijerena ny fanavaozana ny tranon’ireo mpianatra izy ireo.
Efa ao anatin’ny dingana fisivanana ny orinasa hisahana izany ny fanjakana amin’izao fotoana izao.
Isan’ny asa fohy ezaka koa, izay ho tonga amin’ity herinandro ity, ireo “panneaux solaires” 20MW hamahàna ny olan’ny herinaratra ary hanomboka farak’izay haingana ny “forage” hisitrahana rano.
Mahakasika ny vatsim-pianarana roa volana kosa indray dia vinavinaina hivoaka afaka telo herinandro izany.
Mihaino sy mandray ny fitarainan’ny mpianatra ny Fiadidiana ny Fanavaozana hoy ny Mpanolotsaina Avo, Kolonely Lucien Rabearimanana. Notsindriany nandritry io fotoana io kosa anefa fa ny tsirairay dia mila manaja fitsipika, ary mila fitandremana ny toe-draharaha toy izao satria maro ireo mpanararaotra.
Mitohy hatrany ny fanadihadiana, ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso, ary ny fiarovana ny Oniversite sy ny mpianatra ary ny vahoaka.

𝑯𝑬𝑹𝑰𝑺𝑬𝑻𝑹𝑨 𝑺𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑭𝑰𝑯𝑨𝑵𝑨

Tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana manamanjo tao Lazaret Nord ireo tompon’andraikitra ary efa miroso amin’ny fanafahana ireo voatazona an-keriny amin’izao fotoana izao.
Nofenoina mpitandro filaminana ny manodidina ny Cité ary noraisina ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina amin’ny faritra manodidina ny Campus Universitaire (Fokontany Lazaret Nord sy Lazaret Sud) manomboka amin’ny 08 ora alina ka hatramin’ny 04 ora maraina.