FANOMPOAM-PIVAVAHANA FITONDRANA AM-BAVAKA NY FILOHAN'NY FJKM SY NY ANKOHONANY ARY FANGATAHAM-PITAHIANA HO AN'NY TAOM-PIASANA 2026.

🗓18 JANOARY 2026
📍 Coliséum Antsonjombe
✅ Hoy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Herintsalama Rajaonarivelo nandritra ny lahateniny:
▪Mifameno ny andraikitry ny Fiangonana sy ny Fitondram-panjakana eo amin’ny fitantanana ny fiaraha-monina. Ny Fiangonana no manome ny làlam-pinoana hahafahana manana fiainana mendrika amin’ny maha-krisitianina. Ny Fanjakana kosa no mametraka ny lamin’asa sy paikady rehetra mba hisian’ny fivoarana ara-toekarena.rehefa mandroso ny toe-karena dia handroso koa ny sosialy izay iandraiketan’ny Fiangonana
▪ Hanangana ny fototra ny governemanta ao anatin’ny « Refondation » ka hohajaina ny fepotoana 24 volana araka ny didy navoakan’ny Fitsarana avo Momba ny Lalàmpanorenena
▪ Antenaina kosa ny mpandimby izay handray ny fitantanana vaovao hanangana ny tranobe aorian’izay
▪ Tsy misy ny Fanavaozana raha tsy misy ny fihavaozan’ny toetsain’ny tsirairay: andeha hihavao,manàna fo madio
✅ Nahazo ny fanomezan-dàlana rehetra ny famokarana sy ny famaratona ny rano Loharano Aina izay vokarin’ny FJKM
📺 Efa mandehaara-dalàna ihany koa ny Televiziona Fahazavana
✅ Nanatrika ity fotoam-pivavahana ity ihany koa ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Me Hanitra Razafimanantsoa mivady.