Hoy ny minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Ramiarison Herinjatovo Aimé,

Tsy nitsahatra nitotongana ny fidiram-bolan’ny tokantrano malagasy.Midika izany fa tsy mandeha ny famokarana, tsy mandeha ny toe-karena

Raha jerena ihany koa ny vitrim-pamokarana dia ambany. Raha oharina amin’ny firenana aty Afrika dia ¼ izany.

Tanjona amin’izao dinika izao dia hisy fifanarahana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, hiara- hientana sy hivondrona

Ny fanjakana dia tsy natao hamotika, na hamoritra fa hamelona . Averina ny fifampitokisana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Mitaky fahombiazana koa avy amin’ny sehatra tsy miankina ny fanohanan’ny fanjakana ka hisy ny « contrat de performance »

Ho jerena miaraka ny fanavaozana tokony hatao mba hisy vokatra avy hatrany.

Hisy fanohanana amin’ny lafiny maro toy ny fananganana fotodrafitrasa. Hojerena miaraka ny asa izay dia tonga dia afaka atao

Hisy sehatra 2 na 3 omena tohana manokana, ireo izay hita fa afaka mamorona asa haingana.

Aorian’ny dinika rehetra dia hivoaka ny Drafi-panarenana ny toe-karena malagasy na koa ny drafi-pifampitokisana ho fanarenana ny toe-karena satria raha misy ny fifampitokisana dia mora ny mizotra amin’ny lalana iray.

Tetiandro arahina ao aorian’ity fihaonana ity:

Dinika amin’ny alalan’ireo rantsamangaikan’ny minisitera any amin’ny faritra sy ny EDBM manomboka rahampitso . Hisy naoty tekinika hivoaka avy amin’izany

Fifanakalozana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana (dialogue public-privé)

Fanavaozana ny « cadrage macro-économique.

Dinika hamoahana ilay drafi-panarenana nasionaly