Ao anatinβny famaranana ny fotoam-piasany, izay naharitra telo taona teto Madagasikara, dia nanao fitsidihana ara-pirahalahiana anβAndriamatoa MichaΓ«l RANDRIANIRINA, Filohanβny Fanavaozana ny Repoblikanβi Madagasikara Andriamatoa ABΓ Koji, Ambasadaoronβi Japana monina sy miasa eto Madagasikara.
Nandritra izany fihaonana izany no nanamarihanβ ny Filohanβny Fanavaozana ny fahavononanβi Madagasikara hanokatra sy hanamafy ny fiaraha-miasa aminβireo mpiara-miombonβantoka aminy, anisanβizany i Japana.