
23 janoary 2026

Toamasina

Zanakareo aho hoy ny Filoha,nilaza izy fa mpianatry ny oniversiten’i Toamasina ny tenany ny taona 1993

Miezaka manao fitondrana mazava sy madio isika, tsy manao kolikoly

Tsy handroso mihitsy isika raha tsy miova ny toe-tsaina

Isika vahoaka ihany no manazatra ireo mpiasam-panjakana handray vola eny amin’ireny sampandraharaham-panjakana samihafa ireny

Hohamoraina ny fahatongavan’ireo mpandraharaha avy any ivelany mba hisian’ny fifaninanana eo amin’ireo seha-pihariana rehetra no sady manome asa ho an’ny vahoaka

Ho an’ny olana ara-tany izay hiainan’ny vahoakan’i Toamasina: miaro ny vahoaka amin’ny taniny ny Fanvaozana hoy izy.