πŒπ€ππ€πŒππ€ππ€ 𝐍𝐘 π‡πŽ π•π€πŠπ˜ 𝐍𝐘 π“πŽπ‡π€πƒπ‘π€ππŽπβ€™πˆ TONGOLOINA : ππˆπƒπˆππ€ π“π„π“π˜ 𝐀𝐍-π“πŽπ„π‘π€ππ€ π€π•π˜ π‡π€π“π‘π€ππ˜ 𝐍𝐘 ππ‘π€πˆπŒπˆππˆπ’πˆπ“π‘π€

πŸ“ Fokontany Tongoloina, Kaominina ambanivohitr’Ampahitrosy, Distrikan’Antananarivo atsimondrano
‼️ Ahiana ny mety ho fahavakisan’ny fefilohan’i Sisaony ato anatin’ny ora vitsy raha toa ka mbola mitohy ny hamafisan’ny tosiky ny rano vokatry ny rotsak’orana.
βœ…Nidina avy hatrany tety an-toerana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, niaraka tamin’ireo delegasiaona notarihiny, nijery ny vahaolana maika isorohana ny loza mety hitranga amin’ireo tanΓ na manodidina.
πŸ‘‰ Mandray fepetra avy hatrany ny Fanjakana noho izany, hiarovana ireo mponina, hanarenana sy hanamafisana araka izay azo atao ity fotodrafitrasa ity. Efa mandray ny andraikitra manandrify azy avy ihany koa ireo rantsamangaika voakasika rehetra.