LAHARANA BIOMETRIKA : efa nahazo ny laharany koa ny Minisi-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana,Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA

🗓 27 Janoary 2026
📍 Iavoloha
✅ Noraketina tanaty solosaina araka izany ireo singa manokana na biômetrika toy ny toetry ny endrika, ny sarin’ny atimaso, ny lavotondro
✅ Tombony anatin’ny tetik’asa « IZAHO TOKANA »:
👉 Famantarana ofisialy tsotra sy azo antoka
👉Famantarana tokana ho an’ny antotan-taratasy
👉Fisoratana anarana an-tsekoly mora sy haingana
👉Fanaraha-maso ara-pahasalamana mitohy
👉Fanampiana ara-tsosialy marina sy mahomby
👉Làlam-pianarana voatahiry sy ekena manerana ny rafitra
👉Tolotr’asam-panjakana mahomby kokoa
👉Làlan’asa voaaro sy voarakitra ary fikarakarana fisotroan-dronono
👉Fitantanana hetra tsotra sy mangarahara