

Tonga nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’i RAZAFIMANANTANY Faniry, mpanao gazety mpamakafaka sady mpitolona ho amin’ny fahafahan’i Madagasikara, teny amin’ny trano fonenany eny Ambohimangakely ny solotenan’ny mpiara-miasa ato amin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika notarihin’i Me Hanitra Razafimanantsoa.