Tonga nitsidika tamim-pomba fanajana ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Me Hanitriniaina Razafimanantsoa, ny solotenan’ny Vondrona iraisan’ireo firenena mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay – OIF aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, Atoa Traian Laurenศiu Hristea.
Samy naneho fahavononana hiara-hiasa ny roa tonta. Ny hampirindra ny fahatanterahana ny fanavaozana no tanjona amin’izany.