
Asa fa tsy kabary no tanterahana hoy ny Praiminisitra ary ny vokatra no hitsarana ny tsirairay

Mila Fanavaozana ny fitantanana ny firenena, ny politikam-pampandrosoana

Mila fihavaozana sy fanovana toe-tsaina ihany koa na ny mpanao kolikoly na ny mpandray kolikoly

Tokony ho modely hijoro amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana hatrany ny mpiasam-panjakana sy ny mpitondra hahafahan’ny malagasy misitraka ny zo fototra

Ampiharina ny lalàna ho an’izay mihoa-pefy, tapitra hatreo ny kolontsainan’ny tsImatImanota , eny fa na ny mpikambana ao anatin’ny governemanta aza

Ho tanteraka tokoa ny fanovana raha samy mandray ny anjara tandrify azy avy ny rehetra ary ho tany sambatra i Madagasikara, hiadana ho finaritra tokoa

Filoha miara-mitantanana ity « comité de pilotage » ity ny lehiben’ny CSI sy ny Praiminisitra

Anisan’ny mandrafitra ity « comité de pilotage » ity ihany koa ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana,Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA

Miavaka ity paikady ity satria misy rafitra mpitarika,misy rafitra fanombanana tsy tapaka ary misy fanitsiana raha misy tsy mandeha araka ny tokony ho izy

Misy ny drafi-panatanterahana mazava , miaraka amin’ny tetiandro, tanjona ary vokatra andrasana azo refesina.

Tsy mijanona eo anivon’ny Minisitera foibe intsony ny ady amin’ny kolikoly fa hatrany amin’ny faritra sy ny kaominina