
Nanasongadina ny fahatsapany ny asa mivaingana nataonβny fitondram-panjakana malagasy sy ny governemanta manontolo tao anatinβizay telo volana niasany izay ny iraky ny Vondrona Afrikanina notarihinβ Andriamatoa Mohamed Idriss Farah, nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, notontosainβizy ireo teto aminβny Lapam-panjakana Mahazoarivo, izao hariva izao.