Tonga nitsidika sy nifanakalo hevitra tamin’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa, ny solotena vitisvitsy avy amin’ny Komity Fanovana Ifotony eto Madagasikara na KFIMA.
Nitondra ny fahitany ny atao hoe Fanavaozana izy ireo ary nanome sosokevitra hoentina manatanteraka izany.