MCR
Ministère Chargé de la Refondation
MCR
Ministère Chargé de la Refondation
π πππππππππβππ ππππππππ ππ ππππππππ
Tonga nihaona tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany, ny delegasiona avy amin’ny Vondrona Afrikanina notarihan’Andriamatoa Mahamoud Youssouf, Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina, ary natrehan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Ramatoa Razanamahasoa Christine.
Nifampidinika ny roa tonta amin’ireo dingana mifandraika amin’ny famafΓ na ny fampiatoana an’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afrikanina taorian’ireny toe-draharaha niseho teto amin’ny firenena ireny.
Naneho fankasitrahana ny Filohan’ny Repoblikan’i Angola sady Filohan’ny Vondrona Afrikanina, Andriamatoa JoΓ o LourenΓ§o, ny Filoham-panjakana malagasy, Andriamatoa RANDRIANIRINA MichaΓ«l, noho ny finiavany hitady vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Nambarany fa mahafantatra tsara ny fotokevitra ijoroan’ny Vondrona Afrikanina sy ny lalΓ na mahakasika ny demokrasia ao aminy i Madagasikara, ary nisaotra ihany koa ny delegasiona amin’ny finiavana hametraka fitoniana ara-politika sy ara-toe-karena hampandrosoana ny firenena.
Tsiahivina fa efa nisy ny fihaonan’ireo solontenan’ny Vondrona Afrikanina tamin’ireo Vondron-kery samihafa eto amin’ny firenena, hahafahana manampy amin’ny fanarenana ny rafitra sy ny fitondrana ary ny fampihavanana.
Mpikambana feno i Madagasikara, sady manana solontena maharitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina (Commission de l’Union Africaine) any Addis Abeba, Ethiopie. Anisan’ireo firenena mpanorina ny OUA na Organisation de l’UnitΓ© Africaine rahateo isika ny taona 1963.