FIHAONANA MEPCR-PNUD

🗓️ 5 Febroary 2026
📍 Antaninarenina
✅ Nihaona androany ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) notarihin’ny solontena maharitra lefitra niaraka tamin’ny solontena avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena eo anivon’ny Firenena Mikambana.
✅Anisan’ny lahadinika nandritra izao fihaonana izao ny vinavinam-piaraha-miasa ao anatin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny Fikaonandohampirenena.
✅ Noresahana ihany koa ny mahakasika ireo asa mandritra ny fifidianana hotanterahina eto amintsika ary indrindra ny Fanavaozana apetraka eto amin’ny firenena.