FANKALAZANA NY TAOM-BAOVAO SINOA

🗓 7 Febroary 2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣
📍️Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina Nanisana
FANKALAZANA NY TAOM-BAOVAO SINOA
✅ Tonga namaly ny fanasan’ny Ambasadaoron’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara noho ny fankalazana ny taom-baovao sinoa, ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Maître Hanitra Razafimanantsoa sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Christine Razanamahasoa, androany.
👉Nisaotra ny fanjakana sinoa amin’ny fanohanana ny fitondrana Malagasy ny Minisi-panjakana ary nirary soa ny vahoaka sy ny firenena sinoa noho izao taona vaovao izao.
👉Fotoana nentina nanamafisana ny fifandraisana sy fiaraha-miasa izany, indrindra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny Fanavaozana izao.
👉Tafiditra ao anatin’ny Fanavaozana, araka ny lahatenin’ny Minisi-panjakana ny fanavaozana ny fifandraisana iraisam-pirenena, izay antenaina hihavao sy hihatsara kokoa ho an’i Sina sy Madagasikara.
👉Betsaka araka ny nambarany ny tetikasa entin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao hanatanterahana izany fiaraha-miasa izany . Tetikasa izay tokony hipaka amin’ny vahoaka tokoa; ary samy hahitan’ny firenena roa tonta tombony ao anatin’ny fifandraisana matotra sy ny fiaraha-mientana.
🍽️Fitsidihana an’i Sina tamin’ny alalan’ny sakafo no nentina nanamarika ity fankalazana ity
🐎Taonan’ny “soavaly” moa ity taom-baovao ity ho an-dry zareo sinoa