
Tanjona ny hametrahana fanjakana tan-dalàna, hampanjakana ny fandriam-pahalemana, hiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Eo ihany koa ny famerenana indray ny fahatokisan’ny vahoaka.

Nanome voninahitra ny fotoana ary nandray anjara fitenenana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Michaël Randrianirina . Hoy izy nandritra ny lahateniny :

Tolokevitra matotra ahafahana mitondra fiovana mivaingana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no andrasana : mametraka ny hasin’ny fanjakana, ny ady amin’ny kolikoly sy gaboraraka samihafa

Ny miaramila sy ny zandary dia tokony hanaraka ny rafitra miaramila sy ny lalàna miaramila

Nisy ny nihoa-pefy nandritra ny hetsi-bahoaka tamin’ny taona 2025 ary handraisana fepetra satria nanaratsy endrika ny zandary fa tsy ny zandary rehetra akory no ratsy

Tokony hanakaiky hatrany ny vahoaka ny zandarimariam-pirenena , hampiseho ny mangarahara, hanome tamberin’andraikitra, hanaja ny soatoavina mahamalagasy.

Anisan’ireo nanatrika ny fotoam-panokafana ity Fikaonandoha ity ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.

Lohahevitra 8 no dinihina mandritra ny tontolo andro toy ny

fanatsarana ny lafiny mahaolona

ny famolavolana paikady amin’ny serasera,

ny fanavaozana ireo didim-panjakana mifehy ny zandarimariam-pirenena izay tsy mbola niova hatramin’ny taona 1960,

ny fandrindrana ny rafi-pibaikoana mba ho tonga malaky ny zandary rehefa mila azy ny vahoaka,sns.