FANAMBARAM-PANANANA HO AN'NY MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FANAVAOZANA
Febroary
Birao Mahaleo tena miady amin’ny Kolikoly Ambohibao
Tontosa androany teny amin’ny Biraon’ny BIANCO Ambohibao ny fanambaram-pananana ho an’ireo Mpiasam-panjakana ambony voatendry ao amin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Ka ny ny tale jeneralin’ny Bianco no nandray ny antontantaratasy
Voakasika ao anatin’izany ny Sekretera jeneraly, ireo Tale jeneraly, ny Talen’ny kabinetra, ireo Tale eto amin’ny fitondrana foibe rehetra ary ny tompon’andraikitra misahana ny tsenambaro-panjakana (PRMP).
Faharesen-dahatra haneho ny mangarahara sy fahavononana hiady amin’ny kolikoly no anton’izao hetsika izao
Manaja lalàna koa ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ka ho fampiharana ny lalàna laharana faha- 2016 – 020 tamin’ny 22 Aogositra 2016 momba ny ady amin’ny kolikoly :
nirosoana ny fanambaram-pananana , roa volana taorian’ny fanendrena raha 3 volana no voafaritry ny lalàna
Sazy enim-bolana hatramin’ny 5 taona, miampy lamandy 50 hatramin’ny 200 tapitrisa Ar no miandry izay tsy manao fanambaram-pananana.
Isaky ny roa taona no mila havaozina ny fanambaram-pananana