Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny fanavaozana sy ny vondron’ny Firenena Mikambana

🗓 9️⃣ Febroary 2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣
📍Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana Antaninarenina
📌Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny fanavaozana sy ny vondron’ny Firenena Mikambana
✅Tonga teny Antaninarenina androany ny Delegasion’ireo solontenan’ny sampandraharan’ny firenena mikambana miasa eto Madagasikara notarihin’ny mpandrindra maharitry ny firenana mikambana, Atoa Anthony Ngororano nahitana ny Solontena maharitry ny PNUD,Dr Edward A. Christow , ny solontena maharitry ny UNICEF Rtoa Christine Jaulmes , ny solontena maharitry ny OIT Atoa Frederick MUIA, ny solontena maharitra lefitra eo anivon’ny FNUAP Atoa Ngoy Kishimba, ary tompon’andraikitra ambony hafa eo anivon’ny Biraon’ny Mpandrindra Maharitra sy ny PNUD.
🎯Fotoana nahafahan’izy ireo nifampidinika tamin’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky momba ny Fikaonandoham-pirenena,ny fifidianana, ny Fanavaozana
📑Nampahafantarin’ny Minisiteram-panjakana azy ireo ny volavolana tetiandro entina manatanteraka ny Fikaonandoham-pirenena ary indrindra ihany koa ny tondrozotra hitondrana ny Fanavaozana
👉Tsy fiandaniana, fampandraisana anjara ny rehetra, tsy fanilikilihana na iza na iza ary ny mangaraharaha. Ireo no lalantsaina hitondrana ny Fikaonandohampirenena ho amin’ny Fanavaozana
👉Vinavinaina ho vitaina amin’ity taona 2026 ity moa ny Fikaonandoham-pirenena ary natokana ho taonan’ny Fifidianana kosa ny taona 2027
🧾Hahafahana manatratra izany tanjona izany anefa dia tsy maintsy atomboka amin’ity taona ity ny fanomanana ny fifidianana indrindra ny lisi-pifidianana. Ny lalàna momba ny fifidianana sy ny rafitra hisahana izany fifidianana izany kosa dia ny Fikaonandohampirenena no hamaritra azy.
🗣Nanambara moa Atoa Anthony NGORORANO fa vonona izy ireo hanampy an’i Madagasikara ao anatin’izao fanavaozana izao ary tena mifanindran-dàlana amin’ny politikan’izy ireo ihany koa ny lalantsaina entin’ny Minisiteram-panjakana miasa.
👉Ny manam-pahaizana manokana momba ny fifidianana dia efa eto an-toerana ary hamoaka tolo-kevitra hahafahany manohana an’i Madagasikara.
👉Vonona ihany koa izy ireo ny hanome tànana hahafahana mampandray anjara ny tanora.
👉Afaka mitondra ny anjara birikiny ihany koa amin’ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana izay handraisan’ny rehetra anjara.
✅Mbola hitohy ny dinika eo amin’ny roa tonta hahafahana miroso lalindalina kokoa amin’ny asa tokony hotanterahana sy hikarohana ireo mpiara-miombon’antoka hafa izay afaka hanohana ny Minisiteram-panjakana ao anatin’izao Fanavaozana izao.