
1 na 2 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza


Hakarina an-tanety ny lakana sy ny baka

Manomana tahirin-tsakafo maharitra andro vitsivitsy

Manangona vatoharatra sy labozian-Jiro fanao am-paosy

Afindra amin’ny toerana azo antoka ny biby fiompy (akoho,gisa,saka,alika…)

Manara-maso ny zaza sy ny tanora

Vokisana ny vatoharatra

Mifampilaza ny isan-tokantrano amin’ny fandaharam-potoana rehetra

Mamonjy toerana efa voaomana raha tsy azo antoka ny fonenana(EPP, CEG,Lycée, Fiangonana)

Manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny andro ratsy

Mifampizara vaovao indrindra amin’ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo