MEPCR
Ministรจre d'รtat auprรจs de la Prรฉsidence en Charge de la Refondation
MEPCR
Ministรจre d'รtat auprรจs de la Prรฉsidence en Charge de la Refondation
๐ ๐ข๐ค๐๐จ๐ง๐๐ง๐๐จ๐ก๐ ๐ก๐จ ๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐ ๐๐ง๐๐๐๐๐ณ๐๐ง๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐๐ง๐๐ซ๐๐ง๐ ๐ง๐จ๐ค๐๐ซ๐๐ค๐๐ซ๐๐ข๐งโ๐ง๐ฒ "๐๐จ๐๐ฅ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐ญ๐ข๐จ๐ง๐๐ฅ๐ ๐๐๐ฅ๐ ๐๐๐ก๐ ๐ฉ๐จ๐ฎ๐ซ ๐ฅ'๐๐๐ฎ๐๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐ฉ๐จ๐ฎ๐ซ ๐ญ๐จ๐ฎ๐ฌ" (๐๐๐๐๐๐๐๐) ๐ญ๐๐ง๐ฒ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐.
Nanatrika sy nanokatra taminโny fomba รดfisialy ny fikaonandoha ho anโny fampianarana sy fanabeazana, ny Mpanolotsaina Avo eo anivonโny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara, ny Lietnร Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA, izay natao teny aminโny CCI Ivato androany.
Nanotrona izany koa ny minisi-panjakana eo anivonโny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Ramatoa HANITRINIAINA Elisa Karena, ary ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fampiofanana Araka asa, Andriamatoa TSILEFA Antonio.
ย
Ny lohahevitra nentina taminโity fikaonandoha ity dia ny ยซ Fampianarana aminโny fomba vaovao hoanโny fanovana anโi Madagasikara : fanavaozana ny rafim-pampianarana miroso mankany aminโny laharam-pahamehanโny Plan Sectoriel de lโรducation (PSE) vaovao 2026-2030 ยป
Fototry ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana, hoy ny Lietnร Kolonely Gervais, ka izany indrindra no maha zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena ho anโny Fanabeazana; izay voalohany ho anโity fitondram-panjakana vaovao ity. Nankasitraka manokana ireo mpikarakara sy mpiara-miombona antoka rehetra koa izy.
ย
Ny rafitra fanabeazana dia mirindra manomboka aminโny fampianarana fototra ka hatraminโny fampianarana ambony. Ity fikaonandoha ity no sehatra iresahana sy ifampizarana mba hanamafisana ny kalitaonโny fanabeazana.
Manana ny andraikiny feno tokoa ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny Mpanolotsaina Avo, aminโny sehatry ny fanabeazana, indrindra aminโny :
ย
โข famporisihana ireo ray aman-dreny hampiditra ny zanany an-tsekoly ;
โข fanohanana ireo mpampianatra aminโny asa iantsorohany ;
โข fanatsarana ny fotodrafitrasa ;
โข fiaraha-miasa akaiky aminโireo mpiara-miombona antoka.
ย
Nantitranteriny fa ny minisitera telo misahana ny fanabeazana eto aminโny firenena no misolo tena ny Fanjakana aminโity fikaonandoha ho anโny Fanabeazana ity, izay eo ambany fandrindranโny Minisi-panjakana eo anivonโny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.
Fanombohana ihany izao androany izao, hoy hatrany izy, mbola maro ireo dingana sy asa hotanterahina ho fanohanana ny fanavaozana, na eo aminโny sehatry ny fanabeazana na aminโireo sampan-draharaham-panjakana hafa.
Nohamafisina koa fa tsy fanagasiana no tanjona aminโizao, fa fanandratana ny hasina maha malagasy, indrindra aminโny lafiny toe-tsaina sy ny teny. Tsy hamaivanina velively ny teny vahiny, fa ny fahaizana miteny sy manaja ny teny malagasy dia soatoavina lehibe ho anโny firenena.