FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 10 Febroary 2026 – 10 ora maraina

Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 186 km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery GEZANI. Niakatra ho 160 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 225 km/ora. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 16 km/ora.

Andrasana ny fidirany an-tanety ao amin’ny distrikan’i Toamasina II, manomboka amin’ny 06 ora hariva. Mety ho lasa rivodoza mahery vaika izy amin’izay fotoana izay (tafiotra manodidina ny 250 km/ora).
Mba ho fiomanana manoloana izany dia miova toy izao ny filazana loza mikasika ny rivodoza :


Loza mitatao miloko mena : Analanjirofo sy Atsinanana ;


Loza manambana miloko mavo : Ambatosoa, Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky, Menabe, Antalaha, Andapa, Mandritsara ary Befandriana Avaratra ;

Ankoatra ny rivotra mafy ho entiny eo am-pidirana an-tanety, dia hitondra rotsakorana betsaka amin’ireo faritra ho lalovany izy (100 hatramin’ny 150 mm/24 ora). Ahiana araka izany ny tondra-drano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany.

Efa manomboka mikasika ny faritra afovoany atsinanan’ny Nosy iny ny rahona mialoha azy.

Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Vohemar sy Mahanoro mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Besalampy sy Morombe manomboka rahampitso maraina. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.


Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar