FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 11 Febroary 2026 – 10 ora maraina

☑️Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tao amin’ny Kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe no nisy ny foiben’i GEZANI. Nihena hatrany ny heriny. 45 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 60 km/ora indraindray. Nikisaka niakandrefana somary atsimo andrefana izy ka nahafaka 26 km/ora.
⚠️ Vinavinaina hivoaka any amin’ny lakandranon’i Mozambika, eo anelanelan’ny Maintirano sy Morondava izy anio hariva na ny alina. .
❗❗ Mbola hitohy ny orana miatoato amina faritra maro ary mbola mety handrivotra ny andro amin’ny ankapobeny. Azo ambara kosa nefa fa efa nihena ny hambana mivantana. Noho izany dia miova toy izao ny filazana loza mikasika ny rivodoza.❗❗
🚨Miova toy izao ny filazana loza mikasika ny rivodoza :
📘📘 Fahamailoana miloko manga : Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky ary Menabe.
⛔️ Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Morombe mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. ⛔️
🙏Entanina ny rehetra mba hanaraka hatrany ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Loharanom-baovao: Foibe famantarana ny toetry ny andro
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar