11 π΅πππππππ’ 2026 β π²π½π²πΎπ, π±π½πΆππ² π°ππππππβπ°πππππππππ

Manoloana ny hamafinβny fahasimbana nateraky ny rivodoza GEZANI, dia notanterahina androany 11 Febroary 2026 teto aminβny Ivontoeram-pirenena Fitarihana ny Asa Vonjy Taitra (CNCOU) eto anivonβny BNGRC ny fivoriana stratejika ambony notarihinβny Minisi-panjakana miadidy ny fanaovazana Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Hanitra sy ireo mpikambana ao aminβny governemanta sasany .

Araka ny tombana voalohany dia mahatratra hatrany aminβny 80 % ny fahasimbana ao an-tanΓ nanβi Toamasina, izay isanβireo tena voadona mafy. Nampahafantarina nandritra ny fivoriana ny lahatsary nalainβny ekipa Serasera BNGRC taminβny alΓ lanβny βdroneβ, izay mampiseho mazava tsara ny halehibenβny fahavoazana sy eny ifotony eny anivonβny vondrom-piaraha-monina .

Fanamafisana haingana ny fitaovana sy ny hery entina miatrika ny vonjy taitra

Ho fanohanana ny asa vonjy taitra efa mandeha, dia natsangana avy hatrany ny fanamafisana ara-pitaovana, ka anisanβizany ny kamiao mitondra lay, βtronΓ§onneuseβ ary milina famoahana rano (motopompe).

Nanapa-kevitra ihany koa ny Governemanta ny handefa fiaramanidina aminβny dingana roa mifanesy :
β’ Dingana voalohany : fitaterana ireo mpiasanβny vonjy taitra sy ekipa teknika ; izay marihina fa efa tonga any an-toerana ireto ekipa ireto ny tolakandro teo ;
β’ Dingana faharoa : fandefasana sakafo sy fitaovana maiaka fanampinβireo izay efa any.

Napetraka ihany koa ny rafitra fandefasana hafatra fohy (SMS broadcasting) aminβny toerana misy ny olona ahiana hisianβny loza (oh : fihotsahanβny tany na rano miakatra β¦) , ho fanamafisana ny fampitam-baovao sy fanairana ny mponina voakasika mba handraisana fepetra haingana.

Fandrindrana iombonana sy valin-kafatra maha-olona manontolo

Miara-mientana ny sehatra rehetra miandraikitra ny asa maha-olona mba hiantohana ny fandraisana andraikitra mirindra ho anβireo traboina. Anisanβny asa iarahana :
β’ fitadiavana vahaolana maika momba ny fitaterana sy famatsiana solika ;
β’ famerenana tsikelikely ny herinaratra ;
β’ fanaraha-maso ny vidinβny akora fanorenana ;
β’ fandrindrana ny fanarenana haingana sy fanomezana fanampiana vonjy taitra ;
β’ fandrindrana mialoha ho anβireo Faritra mety mbola hisy fiantraikany.

Eo aminβny sehatry ny fahasalamana dia efa nisy ny fandraisana andraikitra mialoha, ka voatendry ny tomponβandraikitra isaky ny toerana, mba hiantohana ny fahombiazanβny asa eny an-kianja.

Fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa manan-danja.

Atokana manokana ny fanaraha-maso ireo tohodrano sy fotodrafitrasa mahakasika ny rano. Anisany tena arahina akaiky ny renirano Sisaony sy ny tohodranonβny Tsiazompaniry, izay ahiana manokana.

Ny Fitaleavana CERVO kosa no miandraikitra ny fanangonana sy fanadihadiana ny angon-drakitra, ho fanohanana ny fanapahan-kevitra stratejika raisina .

Fandraisanβanjaranβny Governemanta manontolo
Nanatrika ity fivoriana ity ny Minisi-panjakana miadidy ny fanavaozana sy ireo Minisitra miandraikitra , ny Fahasalamam-bahoaka, ny Asa sy ny Fampanananβasa ary ny Asam-panjakana, ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina, ny Solontenanβny Zandarimariam-pirenena, ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Fanabeazam-pirenena, ny Tafika Malagasy, ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Asa Vaventy, ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ny Angovo sy ny Solika.

Ankoatra ny fiatrehana ny vonjy taitra, dia niompana ihany koa taminβny paikady fanarenana ara-toekarena eny ifotony ny dinika, mba hanohanana maharitra ireo mponina voakasika.

Eo anilanβizany, vonona hanome sakafo mafana ho fanohanana ara-tsosialy sy maha-olona ny ββOffice National de Nutrition ββ(ONN).

Manamafy ny fahavononany tanteraka ny Governemanta aminβny fanatanterahana valin-kafatra mirindra, haingana ary mahomby manoloana ny voka-dratsinβny rivo-doza GEZANI, ary miantso ny firaisan-kina nasionaly sy iraisam-pirenena ho fanohanana ireo vondrom-piarahamonina traboina.