Miondrika am-panajana manoloana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza
#Gezani. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny akaiky azy ireo rehetra.
Mankahery ireo mbola anaty fitsaboana sy ireo rava fanana. Toy izany koa ireo tsy manan-kialofana tampoka noho iny loza voajanahary iny.
Manohy ny fandraisana andraikitra iatrehantsika izao zava-mitranga izao ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Miara-misalahy amin’izany ny Governemanta iray manontolo.
Misaotra an’ireo rehetra efa mifanampy any anaty fiaraha-monina satria voin-kava mahatratra ity. Manao antso avo ho an’ny fanohizana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankinantsika rehetra satria anisan’ny fanalahidy hampahomby izany.
Samia mahery fa hanarina isika.
Ny Minisi-panjakana
Me Hanitra Razafimanantsoa