Fihaonan’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny ambasadaoron’ny Repoblika Federalin’ i Alemana miasa eto Madagasikara

🗓️12 𝑓𝑒𝑏𝑟𝑜𝑎𝑟𝑦 2026
📍𝐴𝑛𝑡𝑎𝑛𝑖𝑛𝑎𝑟𝑒𝑛𝑖𝑛𝑎
🔴Noraisin’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, 𝗠𝗮𝗶̂𝘁𝗿𝗲 𝗛𝗮𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗥𝗔𝗭𝗔𝗙𝗜𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢𝗔, tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Antaninarenina, ny ambasadaoron’i Repoblika Federalin’i Alemana miasa eto Madagasikara, 𝗢𝗹𝗶𝘃𝗶𝗲𝗿 𝗞𝗻𝗼𝗲𝗿𝗶𝗰𝗵.
🟢Nanambaran’ity farany nandritry ny fihaonana fa mijanona ho mpiara-miasa amin’ny Madagasikara eo amin’ny sehetra ara-politika i Alemana.
Ao anatin’izany indrindra no nanehoany ny fahavonan’i Alemana hanohana an’i Madagasikara ao anatin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena.
Manoloana izany dia nitondra fanazavana mikasika ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena ho amin’ny Fanavaozana ny Minisi-panjakana.
🟢Noresahana tao anatin’izany ihany koa ny fomba entina manangona ireo antontan-kevitra sy fandraisana fanapahan-kevitra mandritra ny Fikaonandoha.
🔴Momba ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena dia nambaran’ Andriamatoa ambasaodoran’ i Alemana fa afaka mandefa manam-pahaizana momban ny fandrafetana lalàmpanorenana satria voaresaka ao anatin’ny fanavaozana ny fanovàna ny lalampanorenana ary afaka mizara hevitra momba ny federalisima sy ny fitsinjaram-pahefana ihany koa ireo manam-pahaizana ireo satria mety ho voaresaka mandritry ny fikaonadoham-pirenena ny foto-kevitra federalisima
🔴Ankoatra ny fanantanterahana ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fanavaozana amin’ny alalan’ny fametrahana ny Repoblika faha 5 dia naroson’ i Oliver Knoerich, ambasadaoron’i Repoblika Federalin’i Alemana, ny hijerena akaiky sy hanavaozana ny fitantanana ireo faritra arovana eto Madagasikara. Araka ny nambarany dia mitaraina ireo vondron’olona eny ifotony amin’ny tsy fisian’ny tamberimbidy mankany amin’ny faritra misy azy ireny. Nanome soso-kevitra ny amin’ny hiarahan’ny manam-pahaizana momban’ny faritra arovana ao amin’ny GIZ sy ny eto anivon’ny Minisiteram- panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika miasa amin’ny fanatsarana ny fitantanana ireo faritra arovana ireo.