FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 14 Febroary 2026 – 11 ora maraina

☑️Tamin’ny 10 ora maraina teo, dia tany amin’ny 898 Km andrefan’ Itampolo/Ampanihy no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery GEZANI. 155 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 210 km/ora. Nikisaka nianatsimo izy ka nahafaka 15 km/ora.
☑️Tombanana hikisaka hiatsinana sy avaratra atsinanana izy ato anatin’ny roa andro manaraka, ka mety hivoatra any amin’ny manodidina ny 150 km miala ny morontsirak’Itampolo ny Alatsinainy alina.
☑️Mba ho fiomanana amin’ny mety hahavoakasiky ny rivotra mafy (manodidina ny 65 km/ora) ny morontsiraka Atsimo Andrefana iny, dia entanina ny mponina amin’ireto distrika manaraka ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika 📗📗ny filazana fanairana miloko maintso : Ampanihy Andrefana, Beloha ary Tsihombe.
⛔️Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Morombe sy ny Tanjona Vohimena mba tsy hiandriaka intsony manomboka rahampitso atoandro, satria hiharatsy ny toetry ny ranomasina⛔️
🙏Entanina ny rehetra mba hanaraka hatrany ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Loharanom-baovao : Foibe famantarana ny toetry ny andro
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar