FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 16 Febroary 2026 – 04 ora Hariva

☑️ Tamin’ny 03 ora tolak’andro teo, dia tany amin’ny 162 km andrefan’Itampolo / Ampanihy no nisy ny foiben’ilay rivodoza GEZANI. Nihena hatrany ny heriny. 80 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 110 km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana izy ka nahafaka 11 km/ora.
☑️ Tombanana hanakaiky kokoa ny morontsiraky ny distrikan’Ampanihy Andrefana izy anio alina, mialoha ny hanalavirany tanteraka ny morontsiraka. Ahiana araka izany ny mety hahavoakasiky ny rivotra mafy (manodidina ny 65 km/ora) ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana iny.
Noho izany dia miova toy izao ny filazana loza :
📕📕 Loza mitatao miloko mena : Ampanihy Andrefana sy Beloha ;
📒📒 Loza manambana miloko mavo :Tsihombe.
☑️ Tsy dia ahiana kosa ny rotsak’orana mety ho aterany satria saika any an-dranomasina no hivangongo kokoa ny rahom-baratra entiny.
⛔️ Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Maintirano hatrany Taolagnaro mba tsy hiandriaka intsony, satria mikorontana ny toetry ny ranomasina. Entanina ny rehetra mba hanaraka hatrany ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. ⛔️
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar