MEPCR
MinistΓ¨re d'Γtat auprΓ¨s de la PrΓ©sidence en Charge de la Refondation
MEPCR
MinistΓ¨re d'Γtat auprΓ¨s de la PrΓ©sidence en Charge de la Refondation
π ππ§π¨π€ππππ§π πππ¦π’π§βπ§π² ππ¨π¦ππ π¨ππ’π¬π’ππ₯π² π§π² ππππ’π€ππ¬π Β« ππ¨π¬π’π€π Β», ππ’π§π’π¬π’πππ«ππ§βπ§π² π ππ¦π©π’ππ§ππ«ππ§π ππ¦ππ¨π§π² π¬π² π§π² π π’π€ππ«π¨π‘ππ§π ππ«π-ππ¬π’ππ§π¬π
Ao anatin’ny fanatanterahana ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny tetikasa « FOSIKAΒ Β», teo ambany fiahianβny Filohanβny Fanavaozana ny Repoblikanβi Madagasikara, MichaΓ«l RANDRIANIRINA. Ny Mpanolotsaina Avo, ny Kolonely ZAFITASONDRY Noelison Marcellin sy ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry no nisolo tena ny Filohan’ny Fanaovaozana tamin’izao fanokafana ny tetikasa izao. Miompana amin’ny sehatra hiadiana aminβny hosoka akademika, diplaoma sandoka ary herisetra eo aminβny tontolonβny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Naneho fahavononana ny hanohana izany hetsika izany ny Fanjakana manoloana ny fipariahan’ny diplaoma hosoka.
Nambaranβny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Professeur RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, fa mamohehitra ny tranga. Simba ny kalitaonβny rafi-pampianarana ka mampanahy ny ho avinβny taranaka.
Mitaky fandraisana andraikitra haingana sy hentitra izany, mba hiarovana ny fahamarinan-toeran’ny fampianarana ambony sy ny hasinβny diplaoma eto Madagasikara.
Tanjona iorenanβizany ny fanadiovana ny tontolonβny fampianarana ambony sy fanabeazana aminβny resaka hosoka.
Ireto avy ireo hetsika sy paikady hanatanterahana izany:
β’ fampahafantarana sy fanentanana ny daholobe;
β’ fametrahana vovonana manokana handraisana fitorohana sy fanaraha-maso;
β’ fanatanterahana fanadihadiana, fizahana sy fitsirihana aminβny sehatra rehetra, na miankina na tsy miankina;
β’ fampiharana hentitra ny lalΓ na : tsy azo ekena ny tsirambina, ary hatolotra ny fitsarana ireo tratra nanao hosoka.
Nanamafy ny Mpanolotsaina Avo, ny Kolonely ZAFITASONDRY Noelison Marcellin, ny aminβny fitakiana ny rariny sy mangarahara eo aminβny fitantanana ankehitriny.
Notsiahiviny fa poizina ho anβny taranaka ny fanaovana hosoka, ary tsy azo ekena na inona na inona endriny.
Nantitranteriny fa hanohy ny fiaraha-miasa akaiky aminβny BIANCO, aminβny ady aminβny hosoka sy kolikoly, hampandrosoana ny politikanβny fanovana sy fanavaozana eo aminβny sehatry ny fampianarana ambony izay manana vina hametraka indray ny fifampitokisana eo aminβny vahoaka sy ny rafitra, ary hanohana tanteraka ireo hetsika ataonβny minisiteranβny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Nanentana ny olom-pirenena rehetra ny Mpanolotsaina Avo mba hitondra fitorohana tsy misy tahotra aminβireo asa tsy ara-dalΓ na sy manimba ny maha ara-dΓ lana ny diplaoma eto aminβny firenena.
Aoka isika hiaro ny hasinβny diplaoma sy ny hoavinβny tanindrazana.